Zanakavavikelin’ny Fo Masin’i Jesoa

"Ny tanjom-pisian’ny Fikambanantsika dia ny fiaraha-miasa amin’ny apôstôlan’ny Pretra”. (Don A. Boccio)

Mamelana toy ny “fehim-boninkazo kely ao amin’ny zaridainan’ny Eglizy”

Isika “Zanakavavikelin’ny Fo Masin’i Jesoa”, dia miaina ny fiantsoana hanokantena manokana amin’ny Tompo araka ny aim-panahy sy ny iraka nankinin’ny Mpanorina Mgr. Amilcare Boccio amintsika.
Nahazo ny fankatoavan’ny Fiketrahana Masina ny Fikambanana, ka ao no anononan’ny Masera ny voadin'ny fahadiovana, ny fahantrana ary ny fanekena. Voatokana amin’ny fomba miavaka amin’ny Fon’i Kristy isika, ka manolotra ny fiainantsika ho an’Andriamanitra, famindrampo tsy misy fetra, amin’ny “lalan-kelin”-ny fahazazana am-panahy ary miaraka amin’i Md Thérèse avy any Lisieux, rahavavintsika voalohany, no hanambarantsika hoe: “Ny Fitiavana no hiantsoana ahy!”.

Ny maha-izy antsika sy ny tanjona fototry ny fiantsoana antsika dia asehon’ny eritreritra izay nameno ny fon'i Don Amilcare hatramin’izay manao hoe: “Tariho hankaty amiko amin’ny lalan’ny fitokisana ny olona, ampio aho hanasitrana azy, hankahery azy, hanamasina azy amin’ny fitiavako, miaraka amin’ny hamamian’ny Reniko sy ny fitokisana tsy mitsaha-mitombo”.

Izany no iraka niantsoana antsika ao amin’ny Fiangonana sy eo amin’izao tontolo izao.
DIriantsika ny hiaina sy hanara-dia an’i Jesoa ao anaty toe-panahy tia vavaka sy famolahan-tena ary fanonerana, am-panahafana bebe kokoa hatrany an’i Jesoa
“malemy fanahy sy manetry tena ao am-po” mba ho zary faka miafin’ilay hazo lehiben’ny fanjakan’ny fitiavana.
Noho izany, ny fifankatiavana toy ny mpiray tampò, izay mikoriana avy ao amin’ny Fon’i Kristy voalefona, no ivon’ny aim-panahintsika, izay miorim-paka amin’ny fandraisana am-panetrentena ny fahasoavana sy amim-pijoroana ho vavolombelona mahatokin’ny Tompo tafatsangan-ko velona. Ny fiainantsika dia azo fintinina amin’ny hoe: “mahalala sy mitia, mampahalala sy mampitia ny fitiavana be indrafon’i Jesoa” amin’ny fiaraha-miasa amin’ny apôstôlan’ny Pretra sy ny fanolorana ny fiainantsika ho famonjena ny olona amin’ny alalan’ny fanirahana antsika hanao asa pastoralim-pitiava-namana, asa fanabeazana sy asa sosialy.

Hafatra

Galerie de photos

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù

Piccole Figlie del Sacro Cuore di Gesù