Fianankavian’ ny F.F.M.

Ny fianakavian’ny Fo Masin’i Jesoa dia ireo kristiania  lahika  izay manaraka ny aim-panahin’ny Fikambanan’ny Zanakavavikelin’ny  Fo Masin’i Jesoa.

Raha ny tena izy dia ny fianakaviana lahika no nialoha lalana sy fototra niandohan’ny fikambanana. Noho izany  ny "fikambanana dia maneho ny firaisana amin’Andriamanitra ho an'ny fandresen’ny Fo Masina”. Naorina sy naparitak’ilay Mompera tanora  Amilcare Boccio, ny fampivondronana ao anatin’ny tambajotram-bavaka sy fiombonana, tsy ho an’ny pretra sy ny relijiozy ihany fa ho an’ny lahika ihany koa, fa indrindra ho an’ireo vovonan'ny zatovovavy katolika, mba hahatonga azy ireo hazoto sy hampitombo ny hafanam-po amin’ny fitiavana sy ny fanajana  ny Fo Masin’i Jesoa, hanavao mandrakariva ny fanoloran-tena mba handresen’ny Fo Masina.

Roapolo taona lasa teo ho eo  no nanombohan’ ireo  lahika  sasany naneho ny faniriana mba hiaina ny fiainam-panahin’ny  Zanakavavikelin’ny  Fo Masin’i Jesoa ka tamin’izany no nisian’ ireo vondron’olona niombona sy niara-dia amintsika: Tao Italia, Romania, Pérou ary Madagasikara.

Ny fanirahana lehibe ho an’ny fianakaviana lahika dia mitovy amin'izay hiainan’ny fikambanana ihany:

"Mandeha sy mitondra ny olona rehetra amin’ny lalan’ny Fitiavana, dia Fitiavana mahery, mahafoy, atolotra ho sorona nefa mijanona ho Fitiavana mandrakariva, amin’ny fisehoana rehetra, amin’izay rehetra manahirana.

Fitiavana miteraka fitokisana, fitiavana sy fitokisana miteraka ilay halemem-panahy, maha te ho tia indrindra sady avy amin’Andriamanitra, mambabo ny fo sy mandresy ny zava-drehetra”.

Afaka milaza isika fa ny Fitiavana ny Fo Masin'i Jesoa dia mampahafantatra ny fiainana rehetra, ao anivon'ny fianankaviana, amin'ny asa, amin'ny fahavononana manompo ao amin'ny  Paroasy sy amin'ireo izay mila fanohanana na dia amin’ny alalan’ny tsiky iray  fotsiny aza na ny fahaizana mihaino azy ireo.

Rehefa novakiana  sy nodinihina ireo asa soratry ny Mpanorina sy ny an’i Mamera Voalohany, dia tsapan'ireo lahika ireo toko telo mahamasamahandro mampiavaka ny aim-panahin’ny Fikambanana:

  • ny fanetren-tena sy ny fahakelezana araka ny Evanjely, izay Jesoa mihitsy no niteny hoe:“mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena am-po aho”.
  • asa fiantrana: io no solika mamelona ny fisakaizana amin'Andriamanitra, mandrisika hanao hetsika mivaingana amin'ny asa fanompoana sy firaisankina ary fanohanana an’ ireo anadahy sy rahavavy ao amin'ny ankohonam-piainana sy ireo zay lavitra.
  • ny fahatokisana sy fiankinana tanteraka amin’Andriamanitra, izay mahalala ny anarantsika sy ny fontsika ary mahay mankahery sy manome fanantenana manoloana ny fanamby sy ny safidy eo amin’ny fiainana.

Izay rehetra mahalala  an’i Jesoa amin’ny finoana lalina  sy mifandray akaiky aminy  ao amin’ny Eokaristia dia migoka ny hafaliana feno eto an-tany ary manana faniriana miredareda ao anaty ka te hizara izany fahasoavana noraisina izany amin’ny hafa.

Ny fianakaviana lahika, izay niaina  ny an-kafaliana ny jobily  faha-100 taonan’ny Fikambanantsika relijiozy,  dia te hitazona mafy sy  te-hamelona hatrany ny afon’ny fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Mpanorina,  fanehoana ny fitiavany mitombo sy miredareda an’ny Fon’i Jesoa, izay nanafatrafatra ny “hitia sy hitarika ho amin’ny fitiavana”. Noho izany, Izy  Tompo koa dia miantso antsika  hanampy ny olona eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika ka hitarika azy ireo ahita ny tena ivon’ny hetsika kristiania, dia ny tenan’i Jesoa mihitsy ary “ny Fony misokatra, midanadana izay miandry antsika mandrakariva amin’ny fitiavana tsy misy fetra, tsy misy tambiny fa mitia antsika mialoha sy maimai-poana ary manolotra antsika ny fiasakaizana aminy.”  (Dilexit nos, 1).