Firaisan-kina

Amin’ny maha olomboatokana antsika dia afaka sy tsy maintsy manaparitaka fitokiana sy fanantenana mba ho lasa fotoana hisokafan’ny fontsika amin’ny “tontolom-piainan’Andriamanitra” ny toe-javatra mampahory. Aoka isika hanampy ny olona rehetra mijaly mba hahita ny endriky ny famindram-pon’ny Ray, amin’izay izy ireo hahita ny iraka manokana nankinina taminy: ho olona “miasa sy tompon’andraikitra” ao amin’ny fanjakan’ny fitiavana” (RdV 79).

Ho fanampiana ireo olona mijaly sy ireo sahirana ifaneraseran’izy ireo, ny Zanakavavikelin'ny Fo Masin'i Jesoa eto Madagasikara dia miezaka miray petsapetsa amin’izy ireo. 

Ireto ambany ireto ny tetikasa sy filàna mivaingana izay karakarain'ny Fikambanana:

 

IREO OLONA SAHIRANA

- Ankizy avy eny an-dalambe sy ny mahantra mila sakafo ivelomana

- Zaza kamboty mila ronono

- Ny marary tonga ao amin’ny toeram-pitsaboana ka mila fanampiana amin'ny fandoavana vidim-panafody

- Fianakaviana sahirana

FIOFANANA

- Ankizy sahirana mila fanabeazana

- Tanora eo an-dalampiofanana

- Masera mandrato fianarana

FOTODRAFITR'ASA

- Fikojakojana ny fotodrafitr’asa (dispensaire, sekoly, ...)

Azo tanterahina ireo asa fanasoavana ireo ary afaka hitohy hatrany mandritra ny fotoana maharitra noho ny fandraisan'anjaran'ireo olona marobe malala-tanana ka manao asa fanasoavana.

Mipetraka àry ny fanontaniana…

Te-hanolo-tanana koa ve ianao?

Sarotra angamba ankehitriny ny mandeha lavitra, fa kosa afaka manome izay fanampianao ianao amin’ny alalan’ny Fikambananay, na dia kely aza... ary indrindra amin’ny fanohanana am-bavaka ireo izay eo an-toerana!

… Hahafaly tokoa izany! 

Misaotra anao amin’ny fo manontolo!

Aoka hotsaroantsika fa miseho amin’ny alala’ireo sahirana indrindra ireo i Jesoa:

Lazaiko marina aminareo fa izay rehetra nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto, dia izaho no nanaovanareo izany.” (Mt 25,40)

Anaran'ny kaonty:

BNI MADAGASCAR

Titulaire du compte:

ASSOCIATION ECAR PETITES FILLES DU S. COEUR

DOMICILIATION:

BNI ANDRAVOAHANGY

CODE BANQUE

00005

AGENCE

00003

NUMÉRO DE COMPTE

22186000200

CLÉ RIB

30

IBAN:

MG46  00005  00003  22186000200  30

BIC:

CLMDMGMG